song lyrics / Mage 4 / Lafatra lyrics  | FRen Français

Lafatra lyrics

Performer Mage 4

Lafatra song lyrics by Mage 4 official

Lafatra is a song in Indonesian

LAFATRA

Raozy dia maha-te ho tia
Ilay endrikao
Fa tsara loatra, manintona ahy
Ianao no lafatra

Mambabo ny manodidina
Ny toetranao
Tsy miavona fa feno tsiky
Ny fiainanao

Raozy dia maha-te ho tia
Ilay endrikao
Fa tsara loatra, manintona
Ianao no lafatra

Mambabo ny manodidina
Ny toetranao
Tsy miavona fa feno tsiky
Ny fiainanao rehetra
Ianao no deraina
Tsy ho tantiko ny hamela anao
Tsy ho namako

Mangovingovitra aho mahita anao
Misy tsy aritry ny ao anatiko ao
Hanatona anao aho izao dia izao
Hisedra ny herinao, hitory fitiavana

Vao mangiran-dratsy anie aho
Andeha hiaritra
Ny hatsiaka sy ny ando maraina
Eo am-baravaranao

Hivimbina ilay fitia
Sy handohalika
Hitsena ilay marainanao feno fanantenana
Te ho anao aho
Omeo ahy ireo teny mifono hasambarana

Mangovingovitra aho fihininao
Natao ho ahy ny ampitsonao
Omeko anao izao tontolo izao
Aza manana ahiahy amin’ny ho avinao

Auteur / Compositeur : Elysé
Lyrics copyright : legal lyrics licensed by Lyricfind.
No unauthorized reproduction of lyric.

Comments for Lafatra lyrics

Name/Nickname
Comment
Copyright © 2004-2024 NET VADOR - All rights reserved. www.paroles-musique.com/eng/
Member login

Log in or create an account...

Forgot your password ?
OR
REGISTER
Select in the following order :
1| symbol to the left of the television
2| symbol at the top of the camera
3| symbol to the right of the eye
grid grid grid
grid grid grid
grid grid grid